top of page
IMG_9233.jpg

« Mifanampy, hifanasoa », teny filamatra vaovao ho an'ny sata vaovaon’ny fikambanan’ny mpiasan’ny Tahirim-bolam-panjakana eto Fianarantsoa. Raha tsiahivina tokoa mantsy, dia ny faran’ny volana Martsa 2019 no nolaniana io sata vaovao io, ary nanaraka izany ny naha-voafidy ny tenako hisantatra ny fitariahana ny fikambanana amin’izao endriny vaovao izao. Tsy hay  ny tsy hanolotra fisaorana mitafotafo antsika mpikambana rehetra nahafahana nanatontosa izao dingana lehibe izao.

Ny tanjona tokoa moa dia ny firaisan-kinantsika anaty fiaraha-monina mirindra, araka io teny filamatra io. Tsy hijanona eo amin’ny fifanampiana ihany akory fa indrindra hifanome ny soa. Io “tongotra miara-mamindra sy soroka miara-milanja” ary fifampizarana io tokoa no voalohany indrindra, hanamaivana ny adidy sy andraikitra lehibe iantsorohantsika mpiasan’ny Tahirim-bolam-panjakana. Ataoko koa fa hampivelatra eo amin’ny mahaolona amin’ny andavanandro sy amin’ny fianaintsika amin’ny ankapobeny izany.

Maro ireo sehatr’asa aroso hanatanterahana ny vinantsika. Miatomboka amin’ny fanehoanatsika ny firaisan-kina izany. Eo koa ny famaritana sy fanalana izay sakana rehetra tsy ahafahana manantanteraka izany. Tsy hijanona amin’izay ihany anefa ireo sehatr’asa ireo fa hitatra any amin’ny fanatsarana ny tontolo iainan’ny mpikambana eto anivon’ny toeram-piasana; eny hatrany amin’ny sehatry ny kolosaina sy kolovatana ihany koa. Hapetraka ho fanamby miampy an’izay koa ny hahitana taratra ny firoboroboan’ny fikambanana amin’ny alalan’ny fanohizana ireo ezaka rehetra natomboka teto anivon’ny fianakaviam-ben’ny Trésor; ary hiampaka hatrany amin’ny fifandraisana amin’ireo mpanan-draharaha rehetra eto amintsika sy ny kalitao’ny asa vokarintsika izany.

Ho famaranana ny teniko, nefa anisan’ny tsy bitika indrindra, dia miantso antsika mpiara-miasa sy mpikambana namana haneho fahavononana, risi-po, fiaraha-mientana amin’ireo hetsika rehetra kasain’ny fikambanana atao. Tsy ho efako mpitarika, na ny Birao izay tarihiko irery ny fanantenterahana ireo tanjona napetraka ireo fa mila fandraisana anjara mavitrika avy amintsika rehetra, araka ny tenin’ny Ntaolo hoe “ny tao-trano tsy efan’irery”.

 

Mirary fahombiazana ho antsika rehetra!

Nous contacter

Trésorerie Générale de Fianarantsoa

Tsianolondroa Fianarantsoa

© 2019 Cynthia Rakotomanga

Socialiser avec nous
bottom of page